Hafatra ho an’ny Ray amandrenin’ny mpianatra, 16 jiona 2020

(Traduction libre de la « lettre aux parents du 16 juin 2020 » par Olivia Rakotomanga)

Ry Ray amandreny hajaina,

Naneho ny firaketampo, ary maniry ny hitohizan’ny fampianaran’ny zanakareo ato amin’ny sekoly ianareo ary izany indrindra no mampiray antsika amin’ny maha- ray amandreny antsika.

Ny fahasahiranana izay lalovantsika izao dia manosika antsika mba hanohana ireo fianakaviana.

Ny governemanta frantsay dia manome vola 1 miliara ariary (275000 euros) fanampiny  hanampiana ireo Frantsay eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny vatsimpianarana  ho an’ity 3 volana fahatelo ity sy ho an’ny taompianarana 2020/2021. Ireo Ray amandreny izay mizaka ny zom-pirenena Frantsay dia noentanina mba hanatitra ireo fangatahana vatsim-pianarana ireo nandritry ny volana mey. Mbola misokatra hatramin’izao io fangatahana vatsimpianarana io satria ny teti-bola izay natokana ny amin’izany dia mbola ampy ahafahana mandray ireo fangatahana tara ireo. Manentana araka izany anareo ray amandreny izay mizaka ny zo-mpirenena Frantsay izahay mba hikarakara ireo antontan-taratasy ahafahana misitraka izany fanampiana izany ary hanatitra azy ireo aty amin’ny sekretaria ny sekoly na any amin’ny masoivoho Frantsay any Antananarivo.

Mba ho mariky ny firaisankina,  dia nanokana teti-bola ihany koa ireo mpisolo tena mpitantana APE mba ho fanampiana ireo ray amandreny Malagasy sy tera-tany vahiny. Madagasikara dia firenena mpampiantrano ity toerampianarana ity ary tsapatsika ny fahasahiranan’ireo fianakaviana Malagasy sy vahiny izay tsy afaka mitodika any amin’ny fireneny.

Noho izany, dia nanapaka hevitra ny hisintona  ny vola tahirin’ny sekoly izay tandrovana tsy hihaotra ny antoka 90 andro.  Ny fitazonanana io tahiry 90 andro io dia antoka ho fitandroana ny faharetana sy ny ho avin’ny sekoly.

Manasa anareo ray aman-dreny Malagasy sy tera-tany vahiny izay sahirana mba hameno ireo antontan-taratasy fangatahana fanampiana. Dien’ izao ianareo dia afaka manantona an’I ramatoa Olivia sy ramatoa Josiane izay afaka manampy anareo ho fikarakarana izany antontan-taratasy izany.

Ho zaraina aminareo ray aman-dreny amin’ny faran’ny volana jiona ny faktiora 2019/2020. Tafiditra ao anatin’io faktiora io ny fanampiana izay omen’ny komity mpandrindra ny fanampiana ho an’izay nangataka izany, manampy izay ny famerenanana ireo vola izay naloanareo mifandraika amin’ireo andro tapaka tsy nahafahana nisakafo tao amin’ny cantine, (ny kilasy mandry), ny saran’ireo hetsika fanampiny ara-panatanjahantena sy kolotoraly ivelan’ny fandaharam-pianarana nanomboka tamin’ny 23 martsa….Ny saram-pisoratana amin’ny fanadinana ho an’ireo mpianatra 3ème dia haverina ihany koa.

Ny fandoavana ny saram-pianarana ho an’ireo ray aman-dreny mizaka ny zom-pirenena Frantsay izay nangataka vatsim-pianarana dia miandry ny valin’izany.

Manantena ny fanohanana sy ny firaketampo izay asehonareo amin’ity toempianarantsika ity.

S. Kalfane

Présidente

M. Eustratiou

Trésorier

G. DROUOT

Principale